You are here: home > Tononkira > Rebika

Mifona aho tompoko (Rebika)

             MIFONA AHO TOMPOKO


Hifonako ry Tompo mahery
Ny ditry ny foko sy ny saiko
E,menatra aho tsy sahy mijery
Ny lanitra honenanao ry raiko

Ny ditry ny foko moa hatrizay
Noheveriko ho laza sy voninahitra
Meteza indray ianao re hahatsiaro
Fa zanaka nania aho ka fay

Ref:  Ny heloko rehetra aoka hivalona any
       Tompo ô ,mba aoka re tsy ho tTsiky dia ampysarovanao
        Ka ny androko sisa rehetra rahatrizay
        Dia handia indray fiainam-baovao

Mifona aho ry raiko mpamonjy
Naditra aho kanefa voavonjy
Saiky very aho no toa hita hita indray
Voakapoka mafy  aho dia fay

Nisy koa ireo zava-kinasa
Tsy mety matoy re mba asa
Tompo ô ,ampio sy tantano
Sao indray mampiditra angano

   Ref: Ny heloko...

                     REBIKA

Mpihira : Rebika
Mpamaky : 3533
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 16/11/2004 14:32:15
ID : 2747

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo