HIFONAKO (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIFONAKO

Hifonako ry tompo mahery
Ny ditry ny foko sy ny saiko
E menatra aho tsy sahy nijery
Ny lanitra fonenako ry raiko

Ny ditry ny foko no hatrizay
Noheveriko ho laza sy voninahitra
Metez’indray ianao re hatsiaro
Fa zanaka nania ka fay

Ref (x2): Ny heloko rehetra, Aok’hivalon’any e
Tompo ô mba aoka re tsy hotsarovanao
Ka ny androko sisa rehetra rahatr’izay
De handia indray fiainam-baovao
Interlude
Mifona aho ry raiko mpamonjy
Naditra aho kanefa voavonjy
Saiky very aho no toa hita indray e
Voakapoka mafy aho de fay

Misy koa reo zava- kinasa
Tsy mety matory re fa asa
Ry tompo ô ampio sy tantano
Fa sao indray hampiditr’angano

Ref (x2): Ny heloko rehetra, Aok’hivalon’any e
Tompo ô mba aoka re tsy hotsarovanao
Ka ny androko sisa rehetra rahatr’izay
(De handia indray fiainam-baovao) x3
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 5127
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AndryRAJO
Daty : 14/02/2010 16:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213