Hankaiza intsony (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satria ve metimety  indray ny fiainanao izao
Dia manitsaka ahy kely efa resy
Ianao miteroterona amin’ny zava-baovao
Ny ahy dia efa tonta, teo ihany no nasesy.

Ary ’lay fitiavanao toa  nifindra lasy
Niantoraka an-tratran’olon-kafa
Nipitrapitra teo ’ty fo nangasihasy
Hankaiza anefa moa fa dia mijafajafa.
     intb      
                  Voadintsika taloha, fady izay tononkira.serasera.org hizara roa
                  Na mahantra na harena
                  Hadinonao ilay fanekena, nekena

        Fiv:
             Io volana io raha mba azoko nalaina
        gdbpfesu      Notakariko raha izay no mba tiany
             Angamba izy tsy nanitan-tsaina
             Raha nomeko izay rehetra niriny.

Ireo taona maro niriariavantsika
Nopotehanao nanaovanao ditra
An-kafa misy mamy ho tsetsafina
Tanana mitsotra manafosafo anao

Ny aty mipitrapitra manganohano
Mijery anao toa te hitomany
Ny hany teny kely mba sahiko ho tenenina
Ny aty maneninenina te hahitanao miverina

                      Voadintsika taloha ....

            Fiv : Io volana io ....

Hankaiza intsony ary aho...
Hankaiza  intsony syoyc ...
Ooo...

Heritiana (REBIKA)

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rebika
Hits : 7608
Likes : 0 Like
Created by : Chrystian Rakotovao
Date : 12/06/2003 13:22
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.9446