Tapitra teo (Rambao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ia tapitra teo ny aminay izay hono no mandrakizay
Izaho dia napetrany irery nanaovany fangala-piery
Noheveriny angamba fa tsy haiku, noheveriny fa kely ny saiko
Tsy ahatakatra ireny ataony ireny
Satria tsy mba be teniteny

Nefa tsy hataoko hahakivy ahy akory izany
Izay azy aoka ho azy any ihany
Tsy an-tery mantsy ny fitia ka tsofin-drano hoe soavadia

Raha mbola mitsilo ihany ny hazavana
Ka tsy lany koa ny tany izay havaina
Ary azo ambolena voninkazo dia tsy anenenako izay malazo
Tsy izay rehetra manan-dokomena dia lazaina avokoa fa volamena
Ary izahay dia torak’izany o! izay tena fanetriben’ny tany

Nahoana no dia sahy manary ny akoho taman-trano kanefa efa nivelirano
Sadaikatry ny soratry ny akanga ka voasarika e! milangalanga

Nifarana teo izany ilay mariazy efa nisaraka toa samy vita ho azy
Veloma dia veloma ry malalako
Izaho koa dia andeha hanohy ny lalako
Ny miondrika tsy misy fa tsarovy indrindra raha fitia mbola mitovy
Ny fahoriana irery monja ihany
Raha izany dia iondrehako eto an-tany

Tapitra teo tokoa mantsy ny aminay izay hono no mandrakizay
Mbola isaorako ihany izy anefa na dia sahiny aza ny nilefa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rambao
Vangy : 700
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 18/06/2021 17:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752