TSY HO TIA DAHOLO (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifalia dia ataovy ampy anao
ireo izay tia
Ka makamamy anao ô
Mifalia dia atanjaho ny fo
F’ireo tsy tia
Tsy maintsy misy koa
Avy eo ivoha

Mifalia aza atao mahagaga anao
Ireo tsy tia
Fa izy koa toa anao
Mba misy tsy tia
Na dia mody tsy mahalala
Toy izany akia
Hatrany am-piandohana

Indraindray ianao
Tsy mahalala
Izay hoe ty antony
Ankahalana
Indraiandray koa
Toa mba vadiny
Raha tena tiany ianao
Tsy hay hoe nahoana

Mifalia dia ataovy ampy anao
Ireo izay tia
Ka makamamy anao
Mifalia dia ataovy izay tsy hialan’
Ireo izay tia
Ho tia hatrany hatrany

Na tsy misy tonga lafatra aza
Mifalia rehefa misy tia
Fa ny tsara indrindra
Efa voalaza
Ilay fitia dia mahasambatra éry

Fa tsy misy na iray any aza
Tena tian’izao tontolo izao
’Lay Avo indrindra
Avy any ambony aza
Misy tsy tia sy be mpanenjika éry

Mifalia dia ataovy ampy anao
Ireo izay tia omeo fitia avy aminao
Mifalia ataovy ampy ho anao
Ireo izay tia omeo ny mamy avy aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 3099
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rpisokely
Daty : 17/07/2004 11:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753