Satria tiako (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ho izaho, izaho irery
No ho ao antsainao
Tsy hisy olon-kafa na iza na iza
Hibahana azy
Fa izaho irery ihany no tianao

Tiako ho izaho, izaho irery
No ho hitanao amin’ny masonao
Tsy hijery olon-kafa na iza na iza
Eo anoloanao
Fa izaho irery no banjininao

Saro-piaro aho
Ny amin’izay jerenao
Saro-piaro aho
Ny amin’izay momba anao
Tiako hijanona ho ahy irery ianao
Izany ve no adalam-pitia

Tiako ho izaho, izaho irery
No ho ao anatin’ny nofinao
Tsy hisy olon-kafa na iza na iza
No anton’izany
Izaho irery no manjaka ao am-ponao

Saro-piaro...

Ka ny tsikinao
Tiako ho ahy irery
Raha hijaly ianao
Dia ho noho izaho
Izaho no ho antom-piainanao
Tiako ho feno ahy irery
Ny sainao, ny fonao, ny fanahy

Saro-piaro...

Izany ve no adalam-pitia (in-2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 18550
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gusgus
Daty : 18/07/2006 17:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.31