NIOVA DIKA (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny teninao raha misy mahasorena
Hilaozanao, havelanao irery aho
Izaho foana hoy ianao ni tsy hahasaraka
Fa ianao efa tofoka sy lao

Zary lasa fafinaretana
Ny mandratra amin'ny teny maharary
Tsapako amin'izao tsy misy intsony ao
Ilay fitia fa nisy fetra ny ho doria

Chorus:
Toa rakibolana vaovao (indray) no ampiasainao
Ts'isy izay tsy niova tao
Na ny dikan'ny hoe "tia"
Niova lasa "leo"
Ny mandrakizay toa tapitra hatreo

Na izaho aza miombon-kevitra aminao
Toa tsy laitra intsony raha mbola hikiry sy hifikitra aho
Nanapaka hevitra aho f'izaho no handao anao
F'efa lao noho ny fandrahonanao

Aleo hatao mitovy ny fijery
Amin'izay izaho tsy ho irery
Tsy ho ilay tavela teo, nangaina, nitoreo
F'efa nahafoy sy sahy nandao anao

Bridge:
Tsofiko rano hahita soa
Avelao aho mba hilamina ts'isy toreo

Auteur: Poopy
Compositeur/arrangeur: Naivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 11409
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mihantasoa
Daty : 29/08/2010 15:47
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121