Namako (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NAMAKO


Ity hira iray ity ; antso ho anao
Mba hamoha ilay varavarana misakana
Ity hira iray ity ; antso ho anao
Mba hanohina ny feon’ireo namana
Mitady anao


Ny hazo tokana hono tsy ala
Tolory ny tananao
Isika hifampitantana, tsy hifankahala
Hihavana izaho sy ianao
Ka na inona mety hitranga ao
Ho sedraintsika miaraka
Satria namako ianao


Ity hira iray ity ; no entina
Hanamafy eto indray ny fiarahana sy fitiavana
Ny tanantsika ho fototra
Hifandray ka hiara-hamaritra
Ny ho lalana

Ny fahoriana raha toa ka zaraina
Ho maivana
Ary ny fifaliana hiarahana manana

Poopy (1991)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 4015
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ialy
Daty : 24/03/2004 14:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812