Mpiahy (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy navelanao ho irery aho
Fa ny tananao no nitantana ahy
Na tamin’ny mafy indrindra aza,
Tsy nanary Ianao
Nasehonao fa Ianao no Mpiahy.

Tsy navelanao ho irery aho
Na tsy mendrika ny hotantananao
Fa dia notsimbininao
Sambatra aho fa ianao no Mpiahy

Fa ambony indrindra ny fitiavanao
Ka ny taratrao no mitsinjo ny dia
He, izay tsy mety tsy notananao
Satria Ianao be fitia
Satria Ianao no Mpiahy !

Tsy navelanao ho irery aho
Na navesatra aza ny natao ahy
Izany indrindra no nanehoanao
Fa Ianao be fitia,
Ianao no Mpiahy

Fa tsy nohazoninao noho ny heloko
Ny voninahitrao no indro miseho
Lehibe ny fitiavanao, izaho mino Anao
Hé sambatra aho fa Ianao no Mpiahy !

Tsy ho faty eo imolotro
Izay nody natolotro
Ianao no Mpanavotra ahy
Ka ny ora sy ny androko
Dia mbola isaorako ny Anaranao !

Satria Ianao no Mpiahy !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 9992
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Iketaka
Daty : 04/04/2003 15:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808