Mizora (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na izaho na ianao
Nifankatia natao hoe
Ho mandrakizay
Teo aloha isika roa
Iray saina sady
Iray koa ny fo
Olon-droa moa
Samy manana zo
Ny andraikitra
Tsy hitovy avokoa
Sendra sampanana
Nizara ny lalana

refrain:mizora (oooo)
aza miandry ahy
veloma(oooo)
soava tsara any

Lalànan’ny fiainana
Izany hoy ianao
Tamiko nitomany
Nandramantsika
Ny namerina izany
Ilay fitiavana
Nakararirary ahy
Ilay fitiavana
Tsy mba natao ho ahy

Fa nahoana
Izaho manotany
Fa nahoana
No tsy misy mamaly
Miankavia miankavanana
Mitady ireo izay ho namana
Niandry anao miandry anao

refrain(2)

(album Tahak’izay)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Poopy
Visites : 3235
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tahina
Date : 16/12/2002 10:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794