You are here: home > Tononkira > Poopy

Mifona (Poopy)

Aoka re tsy ho tsiniko
Ry Tompoko Andriamanitro
Ny teniko sy ny fitarainako
Eny fantatro tsara moa
O ry Tompoko Andriamanitro ny andrasanao
Tokony haharitra aho!
    
   Nefa fantatrao ny ao am-poko izao
   Fa mitady hanjaka ao ny ratsy
   Te hamaly anao hoe ahoana moa no hangina koa
   Fa ianao hiankinako tsy hitako
   Ka iantrao fa inona moa zahay anatrehanao
   Mba iantrao diovy ny fonay
   Sitrano ny ahiahy arovinao zahay

         Ref: Efa fantatraoTsiky dia ampy fa mpanota aho
              Nefa mbola miantso anao
              Ry Tompoko Andriamanitro
              Fa amin’iza moa no hitarainako
              Raha maizina ny fiainako tsy ho aminao
              Tompoko e!fantatrao
              Ny fo sy fisainanay e tsinotsinona
              Mba iantrao avy amin’ny teninao
              Sitrano ny ahiahy
              Arovinao zahay
    Aza ela ry Tompoko afaho ny zigako.


                                        (Album:Tahak’izay)

Mpihira : Poopy
Mpamaky : 3486
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rinah
Tamin'ny : 27/12/2002 23:30:25
ID : 1358

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo