Avelao aho (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy handany andro intsony aho hanao izay hitiavanao ahy
Tsy mety tapitra fa miovaova ny sitraponao
Na efa natao daholo aza izay rehetra tadiavinao
Tsy afa-po fa mahita tsikera foana ianao

Androany aho tianao mba hitovy amin-dranona
Rahampitso indray aho asainao manao toa an’itsy
Farany leo ihany aho amin’ny filam-banina
Ary ny lanjako aminao mihitsy no tsy misy.

Aleo mitoetra irery raha izay ilay fitiavanao
Tsy hiferotr’aina intsony hoe tsy ho hankasitrahanao
Aleoko mijanona amin’ny maha izaho ahy
Tsy hamita tena intsony fa tsy ilay tena tadiavinao
Tsy ho sarisary fa toa mankarary.
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Aleoko ihany mitoetra irery.
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery.

Tsy mampaninona ahyi ntsony izay ataonao any
Avelao amin’izay koa aho mba hijery izay momba ahy
F’efa lany aiky aho nanao izay hitiavanao ahy, tena marina
Hay ny fonao mihitsy no tsisy toerana ho ahy.

Raha nisy tsara taminao ihany izay nataoko
Tehiurizo ireny ho rakitra tsara.
Isika antenaiko fa tsy ho mpifahavalo
Fa samy ho hendry hifanaja tsara.

Aleo mitoetra irery raha izay ilay fitiavanao
Tsy hiferotr’aina intsony hoe tsy ho hankasitrahanao
Aleoko mijanona amin’ny maha izaho ahy
Tsy hamita tena intsony fa tsy ilay tena tadiavinao
Tsy ho sarisary fa toa mankarary.
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Aleoko ihany mitoetra irery.
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery.

Aleo mitoetra irery raha izay ilay fitiavanao
Tsy hiferotr’aina intsony hoe tsy ho hankasitrahanao
Aleoko mijanona amin’ny maha izaho ahy
Tsy hamita tena intsony fa tsy ilay tena tadiavinao
Tsy ho sarisary fa toa mankarary.
Raha tsy safidinao fa adidy no nandraisanao ahy
Dia aleoko ihany mitoetra irery.
Amin’izay ianao malalaka tsara afaka mijerijery.

Tsy mampaninona ahyi ntsony izay ataonao any
Avelao amin’izay koa aho mba hijery izay momba ahy
Lany aiky aho nanao izay hitiavanao ahy,
Hay ny fonao mihitsy no tsisy toerana ho ahy.
Avelao amin’izao aho
Avelao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 10/12/2025 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1107