Raha poety (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Alao sary anie ny hariva mena masoandro,eny am-parn-dranomasina eny;
Sambo lahy iray no misosa moramora entin-drivotra mitopa eny;
Lavidavitra ery, ny morona jereo,paradisa feno ala-boanio;
Raha poety angamba aho,
Be ny voasoratro tao,
Ilazako ny fitia ho anao

REF:
Eny, veloma ho aho ry masoandro,
Veloma ampitaina any, ho an’ilay malalako,
Iny, iny sambokely iny,
Ny sambon’ny fitiavan-tsika,
Avy any an-dranomasimbe
Eny, mandra-pihaona sombinaina,
Ny hirahirako ato anaty,
Tsy mety manadino anao,

Efa renao ve, ny hiran-doharano mikorina avy ao an’ala ao;
Ny sioka-borokely maika amonjy ny fodiny, moa ve mba efa fantatrao;
Ny feon-dakolosy zay manako takariva, moa ve mba efa henonao;
Raha poety angamba aho, be ny voasoratro tao;
Hilazako ny fitia ho anao

REF * 2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 3292
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mpampa
Daty : 23/02/2006 13:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731