Mbola ho avy ny maraina (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho aiza intsony moa
Tsy hita izay aleha,
Maizina ny dia
Ho aiza intsony moa
Maina teo tokoa
‘Zay niarahana nikolo
Foana ny eny an-tànana
Ny rivotra mifofo
Aiza no hiantsapazana
Torovana ‘ty nofo

Fa sarotra ny dia,
Very ny fitia
Dify ilay malala
Mahantra samirery
‘Ty fo mamelovelo
Malahelo mbola tia

Aza kivy na mamoy fo
Hisy hazavana ho anao
Mbola ho avy ny maraina
Hitondra hafaliana ho anao

Izao tontolo izao
Mihira ny fitia, mihira ho anao
Izao tontolo izao, hirako ny fitia
Tsy miova anatiko ao

Iza no hantsoiko indray
Aiza no halehako
Tsy haiko ny hanova izay
Fitiavana nekeko

Fa sarotra ny dia
Very ny fitia
Dify ilay malala
Mahantra samirery
‘Ty fo mamelovelo
Malahelo mbola tia

Aza kivy na mamoy fo
Hisy hazavana ho anao
Mbola ho avy ny maraina
Hitondra hafaliana ho anao

Fa n’aiza n’aiza ianao
Angamba mbola handre
‘Zao hirako izao
Mahantra samirery
‘Ty fo mamelovelo
Tsy miova tia anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 4631
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/02/2015 22:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3565