DIA HILAZAKO I DADA SY I NENY (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny foko tia,
Tia ho doria,
Vonona ho anao
hiara-dia.
Hiombom-pitia
aminao

Ka n’inon'inona hidona
anilanao ny ny fo mifangia
Ka n’inoninona hihatra
Ho tia anao
Ho anao doria

Dia hilazako i Dada sy i Neny
amin’izao dinika izao
Nefa atao ahoana no fiteny
’zao faniriantsika izao.

Bodo
Mba hivavaho
Ho tanteraka anie
’zao faniriantsika izao
fa lalan-tsarotra
eny mantsy
no aleha

Neny niteny fa hoe:
ny fitia tsy lalao
ka hisangiana
amin’izao fiainana izao
fa rehefa tia ao am-po
dia tiana dia tiana tokoa.
Atao soratra
misarom-boaly,
’zay vao miara-droa

Dia hilazako...sns

Tonony/Feony: Jérôme Randria 1963
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 6028
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 08/11/2002 03:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7316