Misy Foana (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ety an-tany fivahiana
Ahitana fahoriana hisedrana fijaliana
Toa mahakivy fo , mahaketraka tokoa
Satria izany moa no fiainantsika ety e!
Misy foana ka Sao adinonao fanantenana
Izay mampandresy anao handray fiainam-baovao
Raha toa ka ho mpamonjinao Kristy.

Raha aizim-be toa tsy hisava
Manamaloka ny tava Ka tsy misy ny mazava
Eo ianao mamoy fo , tsy natao ho anao tokoa
Ilay hazavana soa, fa aizin-dava izao e!
Misy foana , ka sao adinonao fahazavana
Hamiratra ho anao, raha toa ka hino ianao anio
Fa hanazava anao Kristy.

Raha sendra ady mahamay ka amin’izay fotoana izay
Zary kivy sy manahy
Dia hatrakao ny loha ka jereo ny Ray tsitoha
Fa ho azonao tokoa ny famonjena feno
Misy foana ka sao adinonao ny famonjena
Hanafaka anao izao anio Izao Kristy
Mpamonjy tena tia anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpitory
Vangy : 1247
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanaja Mandranto
Daty : 24/01/2020 19:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752