Vita sedra (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nandalo teo daholo ireo fahoriana sy fijaliana
Fa toa tsy mahataitra ahy itsony izany fahantrana sy tsy fisiana
F'izaho mbola eto ihany, mijoro hatrany
Satria ny Andriamanitro tsy hampitondra ahy izay tsy zakako izany

Ref:
Na inon-kidona na inon-kihatra, izaho mbola hitraka
Na hisesisesy hamely ahy aza ny ady, izaho efa zatra
Ny afon'ny finoako tsy ho faty itsony fa hiredareda
Ho porofo izany f'izaho dia mpanompo efa VITA SEDRA

Lasa nandao ihany koa ireo olona akaiky ny fo
Nohesorina tamiko avokoa izay kely mba fananako
Fizaho mbola eto ihany, mijoro hatrany
Satria ny Andriamanitro tsy hampitondra ahy izay tsy zakako izany

Ref:
Na inon-kidona na inon-kihatra, izaho mbola hitraka
Na hisesisesy hamely ahy aza ny ady, izaho efa zatra
Ny afon'ny finoako tsy ho faty itsony fa hiredareda
Ho porofo izany f'izaho dia mpanompo efa VITA SEDRA (x2)

Ka ninoninona hangeja (an an an an an)
Izaho efa VITA SEDRA (an an an an an ouh ouh ouh ouh)

Ref:
Na inon-kidona na inon-kihatra, izaho mbola hitraka
Na hisesisesy hamely ahy aza ny ady, izaho efa zatra
Ny afon'ny finoako tsy ho faty itsony fa hiredareda
Ho porofo izany f'izaho dia mpanompo efa VITA SEDRA

(Izaho dia mpanompo...) efa VITA SEDRA!!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Avo
Vangy : 4502
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : deraxchanteur
Daty : 21/03/2019 10:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1676