You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Ny antom-pisiako (Ny Avo)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-avo/ny-antom-pisiako

(Antom-pisiako Ianao)x2

Ny antom-pisiako hitory Anao
Eran'izao tontolo izao
Ny antom-pisiako hanompo Anao
Ny hatanorako atokako
Hanambarako teny soa
Amin'ireo reraka am-po

Ref:
Satria nateraka aho hanompo Anao
Tsy mila tambiny afats'ilay
Paradisa soa honenako aho
Tompo ô! Tsy ho reraka aho hilaza hoe:
Ianao no ataoko ho rehareha
na aiza aleha
Ny antom-pisiako hanompo Anao

Ny antom-pisiako hanambara
Hitory ny filazantsara
Amin'ireo tsy mahalala
Volamena ato am-poko ny Asanao
Harena tsy foiko ny Asanao
tononkira.serasera.orgNy antom-pisiako dia Ianao

(Antom-pisiako Ianao)
Ny antom-pisiako re ry Ray
(Antom-pisiako Ianao)
Hanompo Anao mandrakizay
(OOOooo...)

Satria nateraka aho hanompo Anao
Tsy mila tambiny afats'ilay
Paradisa soa honenako aho
Tompo ô! Tsy ho reraka aho hilaza hoe:
Ianao no ataoko ho rehareha
na aiza aleha
Ny antom-pisiako hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Ny antom-pisiako hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Nateraka aho hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Tsy ho reraka aho hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Hitory Anao mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 256
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Arl-Andria
Tamin'ny : 17/03/2020 20:34:55
ID : 12624

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo