Voady (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
na enjehina aza tsy hivadika aminao
na dia somparana aza tsy hisaraka aminao
ninoninona hanjo
Ianao no tokiko
hitia sy hanompo anao aho mandra-piala pofon'aiko
hitory ny hatsaranao sy ny asanao ry Raiko

izao voadiko izao Jeso
ambarako aminao
na ory na manana aho
hitoetra fa tsy handao
fa efa voatendrinao
hanatanteraka ireo asanao
naniraka ahy ianao
indro aho fa vonona

ref:...

na dia be mpakahala aza aho
tsy ahoako fa aleo ho any
na hoatositosika aho
tsy mba hilofika
miroso hatrany ny dia
ny hoe hihemotra dia sanatria
na hamoizako ny aiko aza
tsy hiverin-dalana aho

ref:...

na ho fisedrana mafy
na ho fitsapana mahamay
dia vonona aho hihafy
tsy hivadika mandrakizay

ref:...

ref:...
--------
Rohy:
Hevitra
emmanuelandriarahanitriniaina ( 10/07/2022 09:38)
Mahafinaritra tokoa ilay hira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Avo
Vangy : 33241
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Mirindra51
Daty : 01/11/2013 19:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2421