You are here: home > Tononkira > Ny Ako

FANEKENA (Ny Ako)

FANEKENA

Tsy haiko ny hanazava
Ny ao am-poko ao
Tsy misy haharava ny fitiavako Anao
Andriamanitra ô ! ny amiko afoiko
Ianao irery ihany no tiako sy tompoiko

Tsapako tokoa, f’Ianao Ilay be fitia
Nanome ny lahitokanao hamonjy anay tety
Mahatsiaro ireny aho, ka tohina ny fo
Ianao irertononkira.serasera.orgy ihany no antony ahavelomako

Fanekeko ny hiaraka aminao
Hanorina fiainam-baovao
Feno fitiavana sy hasambarana
Hafa noho ny an’izao tontolo izao.

Ny làlana hizorako
Sarom-pantarina
Ho diavina ihany koa ny ankasomparana
Hifikitra aminao aho n’inona n’inona hanjo
Ho eo anilanao amin’ny androm-piainako.

Mpihira : Ny Ako
Mpamaky : 2347
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Andry RABEZA
Tamin'ny : 13/04/2004 22:55:39
ID : 2358

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo