NANOMPO IZY (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa ilay Zanakalahy tokan’ny Ray
Andriamanitra hatry ny taloha sy anio ary ho mandrakizay
Ny voninahitra ananany avo manerinerina
Ny fahefany dia tsy mba manam-pahataperana

Nefa Izy hatrizay nanda tena ho mpanompo
Nanetry tena nidina na dia Tompon’ny tompo
Tsy mba nahoany nilaozany ny fiandrianana nananany
Fa naleony nidina hamonjy antsika malalany

Nanompo Izy ka nisahirana niondrika nitady
Nanompo Izy ka ny helontsika no nekeny ho zakainy
Nanompo Izy nitondra izany hiara-maty Aminy
Ho fanavotana antsika na dia mafy taminy

Manompo Izy ka tsy mba sasatra ny mihaino vavaka
Manompo Izy ka dia mamaly izay mitady Azy fatratra
Manompo Izy ka mbola mamela heloka isan’andro
Ny fony tia mamindra fo amintsika tsy miato

Saingy aiza kosa izay avy aminao
Ho an’i Jesoa, ‘lay Tompo nefa nanompo anao
Moa inona no efa nafoinao havalinao izao fitivany izao
Tsarovy anie fa efa antomotra izao ilay andro farany
Dia ny hiaviany indray, tsy hanompony intsony
Fa hanehoany ny voninahiny
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ako
Hits : 1289
Likes : 1 Like
Created by : MieAndry
Date : 01/12/2015 20:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1076