You are here: home > Tononkira > Njila

TANIN'ANDRO (Njila)

https://tononkira.serasera.org/hira/njila/taninandro

Tanin’andro takariva ihany
Ny antsika roa androany
Kely sisa no hananana azy io
Araoraoty ihany sao tonga tampoka
Ny aizina
Hanazavana fa handao antsika anie io
                 ’Lay angolangolam-pitia fahizay
                 Ho velomintsika
                 Tsy ho sarotra foana intsony isika
Tsiky dia ampy                Hiandrandra fifaliana
Lasa niridana tsy nety tana teo intsony
’Lay rivo-mahery sy ilay oram-baratra teto aminay
Nandimby ny toerany teo indray
’Lay kalokalonao fahiny
Namerimberina toa nampatsiahy
’Lay fitiavantsika vao nitsiry
’Zay nofinofy izany ankehitriny

                                     NJILA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njila
Mpamaky : 2092
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Linah D
Tamin'ny : 09/07/2003 14:50:05
ID : 1757

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo