Hilazao (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilazao ny famonjena
Ireo izay tsy mba manantena
Ny hiaina am-pifaliana rahatrizay
Anjaranao izay mahalala
No mampiditra ao am-bala
Ireo ondry izay maniasia

               Refrain  : Fitiavana an’izao tontolo izao
                             No nanolorany ny ain’ny Tompo
                             Efa voavidiny tamin’ny rany
                             Ireo olona rehetra teto an-tany
               ( miverina in-2 refrain )

Izay manamafy fo
Torio ireo teny soa
Ny tsy efa, ny Ray no hamita
Aza mba manahy foana
Izy ho eo anolona
Ho mpitarika ny dianao.
  
               Refrain  :  Fitiavana ........

                                Mpamoronkira : NJILA
                                Mpihira : Voahangy Ranarivelo  -  NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 8043
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Daty : 19/09/2003 18:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813