An-tananao (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mibaliaka soa ny masoandro,
Ny Tompo aminay, miaraka aminay;
Ka ny fiainanay mirindra isan’andro,
Izy re no manda fiarovanay!

Ka na sarotra ’zany lalanay
Ô! tazomy Ray ô! ka tohano;
Isan’andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso.

Eo an-tananao ry Ray ô! tena tiako,
Ny fiainako sy ny diako,
Ô! tazominao arovinao hatrany,
Ô! matoky aho raha mbola eto an-tany.

Ka na sarotra ’zany lalana
Ô! tazony Ray ô! ka tohano,
Isan’andro re na dia marobe
Ireo ankaso sy ny ranomaso.

Tarika Njila
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 5754
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kababo
Daty : 27/05/2006 13:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9658