You are here: home > Tononkira > Njaka Fitia

Ho raisiko (Njaka Fitia)

*Inty aho Jesôsy ô, miantsampy aminao.
Am-pototrin'ny hazo fijalianao, no hiankohofako o!
Ny rà izay nalatsakao Tompo ô, dia tsy ho raraka an-tany.
Fa ho raisiko hikorina ato am-poko, hanadio ahy. (X2)

Ref:
*Ho raisiko ny rà izay nalatsakao, hanadio ahy.
Fa te handova ilay Jerosalema vaovao aho, hahita anaoTsiky dia ampy. (X2)

....

Ny Fo vato tsy mety mibebaka Tompo ô, mba torotoroy.
Mba hangorankoraka miantsampy, amin'ny lalivoanao.
Ka hodiovin'ny rà izay nalatsakao, ho fotsy hanjompika.
Ka ho voalahatra, handova ny fiainana mandrakizay.

Ref:
*Ho raisiko ny rà izay nalatsakao, hanadio ahy.
Fa te handova ilay Jerosalema vaovao aho, hahita anao. (X3)

Mpihira : Njaka Fitia
Mpamaky : 89
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 28/07/2021 07:21:18
ID : 13572

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo