Tsy ho very maina (Njaka Fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Na dia mitaredretra aza ianao Tompo ô!
Dia andrasako foana.
Na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Dia mbola matoky anao aho.
Na toa tsy mety avokoa izay rehetra atao,
Dia mino aho fa mahay ianao.
Na tampina avokoa ny lalan-kaleha,
Dia mino aho fa mbola misy lalana misokatra ho ahy. (X2)

Ref:
Tsy ho very maina Tompo ô!
Ny ranomasoko latsaka a!
Ny lohaliko niankohoka nivavaka
Nitaraina taminao
Indray andro any, ho tonga ny anjely
Hitondra valim-bavaka eo an-tanany
Ho fifaliana ho ahy ny hahita ny famonjenao. (X2)

....


Toa ireny ny fanilika ny olona,
Mahantra tsy misy mpijery aho.
Fa ny tsapako ry Tompo Andriamanitra,
Mitsinjo sy mijery ahy.
Raha ny fijery ahy ny toa mahantra,
Fanahiko dia manan-karena.
Inoko fa ilay Andriamanitra,
Indray andro any ho tonga anandratra.

Ref:
Tsy ho very maina Tompo ô!
Ny ranomasoko latsaka a!
Ny lohaliko niankohoka nivavaka
Nitaraina taminao
Indray andro any, ho tonga ny anjely
Hitondra valim-bavaka eo an-tanany
Ho fifaliana ho ahy ny hahita ny famonjenao. (X2)

Indray andro any, ...
Hitondra valim-bavaka eo an-tanany
Ho fifaliana ho ahy ny hahita ny famonjenao.

Ho fifaliana ho ahy ny hahita ny famonjenao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njaka Fitia
Vangy : 1058
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 28/07/2021 09:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083