Matsiaro anao (Niu Raza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nitady anao izaho omaly
Hoe azafady! Fa tsy hita intsony ianao
Niantso anao aho, tsisy namaly
Hoe mbola hiety ve ny hiverina aminao?

Fa lalana lavitra ihany noho nodiavintsika roa
Mampihomehy mampitomany ny fitiavantsika roa
Nefa androany aho mba manontany
Satria hono ianao niova fo!
Mbola misy fitia ho ahy ve any sa be loatra ny adalako?

Eny mbola tia ao
Mahatsapa tena aho androany fa mbola tia aho!
Rehefa mahatsiaro anao

Ho averiko hatrany am-boalohany
Raha sitrapon'ny foko
Ny fiainana anefa tsy ohatrin'izany
Ekeko fa be ny adisoako
Malala Malala marary aho ny mieritreritr'anao loatra
Ny saiko mila ho adalan'ny fitia diso tafahoatra

Olona ihany ny tena
Fantatro aho fa tsy mendrika anao
Fa raha mbola tia mitenena
F'izaho aty efa olom-baovao

Eny efa nisy olon-kafa
Fa ny toa anao toa hafa
Izaho ohatrin'ny tsy tia hiaina fiainana tsisy olon-tiana
Tsisy olon-tiana toa anao
Eny mbola tia ao
Mahatsapa tena aho androany fa mbola tia aho!
Rehefa mahatsiaro anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Niu Raza
Vangy : 1226
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Fahas
Daty : 11/03/2021 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1563