Any e (Niu Raza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ianao, lasa aloha loatra
Toa tsy mino ireo manodidina ahy
Ny vavako nanjary moana
Nofy ratsy izany hoy ny saiko
Lasa tsy nanao veloma
Noheverinao fa dia mba mety ve izany
Ilay vaovao tampoka loatra
Ny fotoana angamba no hampangina ahy

Nanenina, raha nety natao
Handeha tongotra aho raha mety natao

Ka mandehana ah
Tsara tso-drano,
Tohizo ny lalanao
Fa any indray izao ny ilanao
Ka mandehana ah
Tsara tso-drano,
Tohizo ny lalanao
Fa any indray izao ny ilanao
Any E! Ehee! Any E! Ehee! Any E! Ehee!
Fa any indray izao ny ilanao
Any E! Ehee! Any E! Ehee! Any E! Ehee!
Fa any indray izao ny ilanao

Ity foko mitoro nanjary tsy tamana
Ny alahelom-po tsy haiko fafana
Fa na dia maniry mafy aza aho ny ho eo anilanao
F'izay no lalana, ny fiainana

Ka mandehana, tsara tso-drano
Tohizo ny lalanao
Fa any indray izao ny ilanao
Ka mandehana eh!
Tsara tso-drano,
Tohizo ny lalanao
Fa any indray izao ny ilanao
Any E! Ehee! Any E! Ehee! Any E! Ehee!
Fa any indray izao ny ilanao
Any E! Ehee! Any E! Ehee! Any E! Ehee!
Fa any indray izao ny ilanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Niu Raza
Vangy : 3077
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Fahas
Daty : 11/03/2021 18:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109