Laingalainga (Niu Raza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mba fantatrao mantsy
F'ianao dia mbola mba any anaty eritreritro
Indrisy raha mba henonao mantsy
Ity foko tsy mitepo intsony toy ny taloha
Toa matroka ny lokon-danitra
Satria ianao lay kinta-nanaingo ny haizina
Fa amiko toa lasa hafahafa
Ny tsy hiantso anao intsony hoe malala

Ho avadiko ny pejy raha sitrakao
Ho afeniko ny fery raha mety natao
Fa saingy hoe ouhouh! ouhou
Laingalainga laingalainga zany
Tsy potika ny foko raha mety aminao
Nilaza koa aho tsy tia anao aho
Fa saingy hoe ouhouh! ouhouh
Laingalainga laingalainga zany

Raha fantatrao mantsy
Tsy nofafako ny sarinao
Fa mbola miafina any ambadimbadika any
Ilay taratasy nosoratanao
Mbola misoratra ao an-dohako ao
Mbola tsaroako ireny, lay feonao
Miantso ahy hoe neny,
Eny raha mba fantatrao mantsy eh eh!

Fa ho avadiko ny pejy raha sitrakao
Ho afeniko ny fery raha mety natao
Fa saingy hoe ouhouh! ouhou
Laingalainga laingalainga zany
Tsy potika ny foko raha mety aminao
Nilaza koa aho tsy tia anao
Fa saingy hoe hmm! Hmm
Laingalainga laingalainga zany
Laingalainga zany

Na dia potika ny fo
Mandaingalainga zany
Na dia mbola mitsiky aza ny tarehiko
Laingalainga zany
Raha mba fantatrao fa laingalainga lainga mantsy zany

Dia nandika ireo teny
Bedin'ny ray aman-dreny
Naditra ka ny fafiny no noraisiko eny
Nandaingalainga teny
Bedin'ny ray aman-dreny
Nandaingalainga ka
Teo aho no noraisina eh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Niu Raza
Vangy : 8086
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 15/09/2018 08:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749