Satria eo ianao (Niu Raza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly aho rehefa miaraka aminao
Mafana kokoa ny andro
Maimaika koa miakanjo
Ity foko 'ty efa babo

Faly aho rehefa miaraka aminao
Ny fitia tsy mety lany
Toy ny olona tia siramamy
Tsy maninona na indraindray miady

Faly aho rehefa miaraka aminao

Toa manidintsidina lasa ambany elatrao
Eny eh
Toa manidintsidina lasa ambany elatrao

Faly aho rehefa miaraka aminao
'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny andro
Eny ô! Satria eo ianao

'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny androko
Eny satria eo ianao ah ao

He ba! Fitiavako iny
Ianao matokisa
F'izy tsy lany tsy lany
He eh eh eh

Fitiavako iny
Ianao matokisa
F'izy tsy lany tsy lany
He eh eh eh eh

Fitiavako iny eh eh
Ianao matokisa baba eh eh
F'izy tsy lany tsy lany
He eh eh eh eh eh

Fitiavako iny
Ianao matokisa
F'izy tsy lany tsy lany
He eh

Toa manidintsidina lasa ambany elatrao
Aho
Ka manidintsidina lasa ambany elatrao

Faly aho rehefa miaraka aminao
'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny andro
Eny ô! Satria eo ianao

'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny androko
Eny satria eo ianao

Fa toa manidintsidina lasa ambany elatrao
Aho
Ka manidintsidina lasa ambany elatrao

Faly aho rehefa miaraka aminao
'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny andro
Eny ô! Satria eo ianao

'Ty foko feno
Fiainako feno
Miratra foana ny androko
Eny satria eo ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Niu Raza
Vangy : 1460
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tiahmarinaa
Daty : 11/04/2020 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198