Tsy safidy (Nina's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mampino fa dia tampoka teo
Toa manonofy aho nefa indrisy fa lasa tokoa
Ho any amin'ny mandrakizay? ianao
Eto izahay navelanao
Haiko fa tsy safidinao ny handeha
F'ilay ora no efa voatendry
Ka tsy afa-manoatra
Fa Izy no maka sy manamboatra

Tsy ho voafafa velively ato an-tsaiko
Ilay fiarahantsika roa namela mamy, sombinaina
Hotsaroako hatrany
Mandra-pialako etý an-tany
Na lay feonao rehefa miantso ahy manao hoe
Miraikitra tsy miala ato an-doha
Rehefa mahatsiaro, mitamberina avokoa

Tsy nampoiziko ny nandehananao
Izaho mila ho lasa adala
Mbola te hiantsoantso mafy
Hoe miverena malala
Tsisy anao izahay mahatsiaro banga
Atao ahoana moa fa izay no anjara
F'ianao matokisa, zanatsika karakaraiko tsara

Antenaiko fa mbola hifankahita indray andro any
Satria ny etý an-tany dia natao ho fandalovana ihany
Any am-parany any
Ka amin'izany fotoana izany
Ireo sento sy ny tomany
Hisolo hafaliana sy haravoana sesilany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nina's
Vangy : 8793
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/04/2019 16:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116