Sara-tiana (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ny hariva dia injay fa manembona manina anao
Malahelo mafy anao aho izao dieny izao nefa akory atao
Sara-tiana, toa lavi-podiana
Fanahy tsy iniana, Ilay hoe :

Tsy tafandry aho miandry anao e ..
Malahelohelo foana aho e ..
Manganohano 🥹 ,mipitrapitra manonja ny fo
Rehefa ianao, tsy eo anilako
Mafimafy koa anie ny aty
Mikosoka miasa mikandra ho anareo
Ny fiainana mantsy, tsy vitam-bava na entin'ny fo
Ny hasambaranao anao no hasambarako
Matoa miketrika aho dia ho antsika roa

Ny ela hono no maha-iray roa
Herezo tonio koa ny fo
Tonom-bavaka no ataovy betsaka aloha mandra-piandry eee ..
Fa mi-sacre aloha vao midola
Ny tsara koa tsy azo amin'ny mora
Efa ho avy aho .. Hamonjy anao e .. 
Fa androany aloha ouuuu ..

Tsy tafandry aho miandry anao e
Malahelohelo foana aho e
Manganohano, mipitrapitra manonja ny fo
Rehefa ianao, tsy eo anilako
Mafimafy koa anie ny aty
Mikosoka miasa mikandra ho anareo
Ny fiainana mantsy, tsy vitam-bava na entin'ny fo
Ny hasambaranao no hasambarako
Matoa miketrika aho dia ho antsika koa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nate Tex
Vangy : 44
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FanoSerge
Daty : 09/05/2026 07:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0351