Vavaka ho an' i neny (Naly Rakotofiringa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hotahiana anie i neny
Izay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana
Dia i neny izay nanoro
Sy nampianatra ahy hivavaka
No angatahiko amin'ny Ray
Ny fitahiana tena miavaka

Ny tananao nanambitamby
Lamosinao mpibaby
Ny tratranao fiondanana
Nahitako fiadanana
Hotahiana anie ry neny
Ireny rehetraretra ireny

Hangatahiko mihitsy
Ny any ambony mba hitahy
Ireo molotrao izay efa zatra nitsiky
Sy nanoroka ahy
Mbola hotahiana koa
Ireo masonao manganohano
Rehefa misy alahelo
Dia toy ny dobo feno rano

Ny tananao nanambitamby...
Hamgatahiko mihitsy
Mba ho re hatrany an-danitra
Ny havelomanao ry neny
Ka hateza sy haharitra

Satria raha eo ianao
Fiondanana, fitosiana
Fa ny kamboty mbola kely
No tena fara fahoriana

Naly RAKOTOFIRINGA & Jeanne NALY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naly Rakotofiringa
Vangy : 3235
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 03/10/2012 22:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221