You are here: home > Tononkira > Naka Rabemanantsoa

Dia veloma ikaky sy ineny (Naka Rabemanantsoa)


Dia veloma Ikaky sy Ineny,
Hanaovako azy veloma
Hodiana raha tsy tamàna,
Ho vangiana raha malahelo,
Ry voninahitry ny zanany
Sy kiadinay tsy mba manana,
Matesa anie aho ray retsy
Tafitohim-bato nafenin'ahitra
Latsa-dranomaso any an-tanin'olona.

Tambazako izay mahafoy
Raha tsy ditra no hialana,
Eny, singam-bolo tsy matononkira.serasera.orghafehy faty,
Ranomaso tsy mahatana aina,
Tiavo indrindra re ny ray aman-dreny!

Velomy imaso ny ray aman-dreny
Ka mba tsarovy re ny soa nataony
Horirika an-tany mando ny ray
Ketsa an-doharano ny reny,
Maitso hariva, tomaratara-maraina,
Mavomavo hariva ary fotsy maraina,
Tiavo indrindra ny ray aman-dreny.


(nalaina avy amin'ny Anganon'ny Ntaolo)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Naka Rabemanantsoa
Mpamaky : 369
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 22/09/2018 19:07:12
ID : 10993

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo