TENA TIA (MIARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho tia,tena tia anao
tonga dia tia fa tsy mba niahotra
ilay fitiavako efa natory iny moa
nofohazinao,natolotro ho anao
raiso ary tena anjakao!!
Izaho aky, raha vao nahita anao
nody tsy tia,fa be ny tahotra
ireny olana nodiavina nisakana
tsy afaka nanoatra izay voasoratra
naleoko re nitia mangina anao

fa ny lalana nodiavina no nahatonga izany
tsy ankasomparana ,na koa hoé valin’ny tomany
raha fitiavana voatery afenina mandratra ihany
...mafy aky ka mafy ,izany sompatry ny tany!!!!!
Isika ity toa very hevitra
tsy ory fitia nefa mandefitra
izay no nahatonga ahy hihira ho an-dry!!
ity hira ity,hiran’ny fitia
porofo fa izaho TENA TIA!!

tarika MIARA
(tantely ANDRIAMIHAJA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIARA
Vangy : 2487
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fitiavana
Daty : 16/04/2004 14:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729