ny ditrako (MIARA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ny ditrako,hiononako!
mankaharary sy mandratra fo
ny ditrako indrindra moa
no fitaky ny androm-piainako
ny ditrako,no nentiko nitia anao
mbola tsaroako any izany
hifonako izay vitako taminao
......tsy hisy intsony ny ditrako
ny hirako,no namako
nanoro ahy ny lalana
tsy sarako,raha ny hirako
dia mba kaloy raha mahatsiaro ianao
ny hirako no hanafatra aminao
hilaza fa mampamangy hono hoé!
ny hirako! tsy fahavalo sanatria!!!
fa bé fitiavana hanolotra FITIA
mampitraka mampifaly
tsy handrotsaka tomany
fa mandrotsy ny fo-ko sy ny saiko
tiako loatra ny hirako!!!!

tarika MIARA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIARA
Vangy : 2661
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 16/04/2004 11:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725