MBOLA HO AVY (Marion)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh, oh, oh, eh, eh mmmh, mmmh
Raha misy alahelo anatinao
Avy fa aza mananahy
Ireo sorisory sy ahiahy
Lazao anie f’izaho mbola eto ihany
Mbola hameno ny hafanana,
Hamelona hazavana
Hanafo sy hanoroka
Avia, avia an-tratrako
Raha misy ny manjo
F’izaho dia tsy ho sahy hanary anao
Na ho sarotra
Fa efa voasoratra ato am-po
Ireo teny manambara fitia
Ny hoe hisaraka tsy tonga tato anaty
Ny voadiko dia ny faty ihany no hanasaraka
Ka dia matokia..
Avia, avia...
Mbola ho avy ny andro,
Ho avy ny fotoana
Dia hifarana hatreo ny tomany
Ka mahandrasa aloha fa ho hitantsika
Tsy ho ela intsony
ouh, ouh, ouh
Avia, avia an-tratrako (ouh, Avia aza mananahy...)
Raha misy ny manjo (eh, yeah, ouh ...)
F’izaho dia tsy ho sahy (Ny andro sisa iainako...)
hanary anao(eh, eh, oh...)
Na ho sarotra (Aza manahy ianao...)
Avia...
--------
Rohy: