Fitia voarara (Marion)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha nandinika aho ka mba nisaina efa ela
tsy diniko ny hamela anao irery hotavela
ny amiko iny efa afantatrao
fa tsy afaka hivily mba hoaiza
izay vitantsika tsy nanenako nefa
ilay fitia voarara tsy diso fiantefa
nefa noho ianao nitaraina
dia namindra fo ihany aho

f'ianao ihany no efa niteny
hotohizana izay efa nekena
indray andro eny mbola hisy fotoana
ny sento sy jaly ho foana

ny alina mangina no entiko mba hisaina
na dia mangidy tsy hatao hampisaraka maina
hanenjika antsika foana ireny
ianao no aza kivy f'izaho mbola manantena

ref:fa raha ditra sy hadalana sahy maty ny aty
ianao mahalala fa tsy mety izany satria
vaky loha teo aho fefa diso jamba-pitia
fa mbola ianao no antom-pisiko
ianao foana ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Marion
Vangy : 9723
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/11/2014 22:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727