TSIARO SASAKALIMBE (Mamy Robinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSIARO SASAKALIMBE


Injao mitolona ahy amin'ny sasakalimbe
Lay fahatsiarovana anao ilay nandeha
Nanalavitra ahy tsy anilako eo
Namela ahy sy ity foko hitoreo

Fahatsiarovana re mitalaho an-tsaiko ao
Toa toy ilay feonao malefaka iny
Mibitsika ny fo hoe tia
Tena tia ô tena tia !

Saingy ianao lasa lavitra ahy
Ny tsiahy anao toa maka fanahy
Maneloelo an-doha, mandratra ny ao am-po
Tsy mampitony ahy amin'ny sasakalina

Zay rehatra natao njao mihelina ao an-tsaiko ao
Ireo tsiahy anao mitolona ahy
Mbola mitempo anao tokoa ny Fo
Nefa handeha ho aiza moa

(Fa)(Saingy) ianao lasa lavitra ahy
Ny tsiahy anao toa maka fanahy
Maneloelo an-doha, mandratra ny ao am-po
Tsy mampitony ahy amin'ny sasakalina

Fahatsiarovana mamoha misasakalimbe
Ny fo torovana, ny tsiahy manery
Mahatsiaro anao lasa nandeha
Amin'ny sasakalimbe
Tsiaro Sasakalimbe !!!!!!!!

_Mamy ROBINSON_(19/09/2017)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Robinson
Vangy : 543
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 31/10/2019 14:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1042