Vololona (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonon-kira iray ê!
Ahatsiarovako anao
Io ilay hira Fahizay ê!
Fony mbola niaraka izaho sy ianao.

Vaky ny sitara
Mangina koa ny valiha
Izaho sy ny gitara
No hany sisa mandihy, Vololona ê...

Hitako ianao omaly ê!
Teo an-tratran’ny zalahy iny
Tsapako fa falifaly
Adinonao ny fahiny, Vololona ê

Sentosento sorisory ê
Adin-tsaina koa
Na mijoro na matory ê
Ny anaranao no ato an-doha, Vololona ê

Tsy alahelo ve moa?
Olombelona ihany
Raha mahatsiaro ny taloha
Mety ho lasa vinany, Vololona ê

Mizara roa ankehitriny ê
Ny lalantsika teo
Samy mahazo izay iriny
Ka ny ho avy no jereo, Vololona ê
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/vololona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 20741
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/10/2001 23:10
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1019