You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Tsy misy ny doria (Mahaleo)

Hiara-hiaina ny andro androany
ho toa ny andro farany
hiara-higoka izay mety ho mamy mandrapahalefin’ ny tarany

ny maso hikipy tsy hahita
ho tapitra ny fofon’ aina
ho hanenenana izay tsy vita
fa any ankoatra tsy ho hilaina

satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rahampitso ny lalantsika mety hizara
satria tsy misy ny doria

Ny vintana sy lahatra
mety hamingana ny dia
Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
Satrtononkira.serasera.orgia tsy misy ny doria

Ny ampitso fanontaniana
mety ho vatana hangatsiaka
ande hioty izay zava-tiana
dieny mbola masoandro baliaka

isaky ny andro izay mifoha
mety ho farany io ka tadidio
ataovy andro feno soa
ho fahataperana ny anio

satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rahampitso ny lalantsika mety hizara
satria tsy misy ny doria

Ny vintana sy lahatra
mety hamingana ny dia
Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
Satria tsy misy ny doria

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 3603
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : minh-ouch
Tamin'ny : 28/02/2014 09:36:05
ID : 6480

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo