Tsy misy ny doria

Title Tsy misy ny doria
Submitted by bedorlehacker
On 19/07/2010 13:06
Hits : 115

Hiara-hiaina ny andro androany
ho toa ny andro farany
hiara-higoka izay mety ho mamy
mandra-paha lefy ny tavany

ny maso hikipy tsy hahita
ho tapitra ny fofon’ aina
ho hanenenana izay tsy vita
fa any ankoatra tsy ho ilaina

satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rahapitso ny lalantsika mety hizara
satria tsy misy ny doria

ny vintana sy ny lahatra 
mety hamingana ny dia
ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
satria tsy misy ny doria

Ny ampitso fanontaniana
mety ho vatana hangatsiaka
andeha hioty izay zava-tiana 
dieny masoandro baliaka

isaky ny andro izay mifoha
mety ho farany io ka tadidio
ataovy andro feno soa
ho fataperana ny anio 

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089