tonga ny alina (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tonga ny alina
natao hatoriana
nefa maro no tsy milamina
sy be fanahiana

ao ’reo namoy olon-tiana
niari-tory tsy fidiny
fa nolalovam-pahoriana
alina feno ngidiny

ao’reo izay mitsabo tena
mahatsiaro manary aina
tsy mety kivy fa manantena
mbola ho tojo ny maraina

tonga ny alina
ny ditra no mitsaitsaika
fa ny hendry sy ny malina
mamonjy fodiana maika

ny tonta kely sy ny jiolahy
natosim-pahantrana
no tsy miraika fa sahisahy
handeha handroba ny tanàna

ny vehivavy vatana
miasa ka tsy resin-tahotra
miandry izay hitantana
ka midola tsy miahotra

tonga ny alina
alin’ny mpiriaria
mahatonga azy hiarina
hiala mandry satria

be ’reo toerana azony aleha
fotsy varavarana
dia mandany vola be
toy ny tsy nisasarana

dia ataony ’zay rehetra tiany
ny devoly aza fohaziny
hanantontosa ’zay irin’
ny zanaky ny aizina

tonga ny alina
natao hatoriana

(Dadah)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 12194
Likes : 1 Like
Created by : ilay mpankafy
Date : 18/12/2002 10:01
Audio
Excerpt Add to playlist
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124