Tafaray samy tia (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TAFARAHY SAMY TIA (Mahaleo)

Raha miombona ny olon-droa, dia mifanome teny
Fa na ho ratsy na ho soa dia ho azy ihany ireny
Ireny maraina mibaliaka ary koa ireny lanitra rakotra
Tsy ahoany ny hatsiaka satria ny fo afaka hifandrakotra.

Ôôôh, Izay no tafaray, no tafaray samy tia (x2)

Raha toa ny ratsy mandroso tsy akin-jery
Dia hifaoka izay efa najoro.
Tsy hiaiky ho lavo fa hanao an-kery
Hanarina ty fo torotoro.

Ôôôh, Izay no tafaray, no tafaray samy tia (x2)

Raha ny hambom-po tsy mahasoa dia tsy omeny fahefana
Fa iray saina iray fo ka ny mifanazava no hany lalàna.
Raha misy olona miadaladala te handrodana ny hasambarana
Isika roa tsy hisalasala handroaka ity fahavalo ikambanana.

Ôôôh, Izay no tafaray, no tafaray samy tia (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 24919
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rabobs
Daty : 13/12/2002 10:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0828