SAFIDY (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona no hanjo a,Raha tojo ny mafy na nambinin-java-tsoa,
Na faly na maloka ny fo...,
Ianao tsy lavitra fa teo anilako
Ny masonao no ahitako,
Ny tanana, ny lala-nolalovako
Izay lalanao dia hozakaiko
Izay mihatra aminao dia mihatra @ aiko...
Réf:
Izany ’akia no Fitia,
Fitia tena fitia,
’Iray ihany, iray safidy
Izany ’akia no fitia,
Izay tiako no tian-dry,
Mizara ny mamy, mangidy,
Voatsongo ianao,
Izaho no marary...
Osa anao , izaho no tsizarizary,
Sanatria tsy hifanary...
Toa rano sy vary...
Izay teninao no holalaiko
Izay sitrakao no mameno ny saiko
Izay babinao no hozakaiko
Izay mihatra aminao dia miantraika @ aiko..
Tanan-kavia sy havanana,
Na mora na sarotra,iaraha-manana..
Ny mafy ifanohanana...
Na mora na sarotra iaraha -iondanana...
Réf:..
--------
Rohy: