MAZAVA ATSINANANA (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mazava atsinanana e, ny faravodilanitra
Madio magalahala ny lokon’ny lanitra
Mandom-daravarana e, ilay tara-pahazavana
Madio mangalahala ilay masoandro vao maraina

Ity ilay maraina, maraina ilay nandrasana
Maraina vaovao, nanadrandraina hatramin’izao
Tonga angamba ilay maraina, izay nampanantenaina
Mba tsy hahakivy any izay niandry hatramin’izay

Ny maso vao mihiratra e, mbola varimbariana
Ny saina no mandinika, vao mahita ny marina

Ity ilay maraina izay mody mahafinaritra
Maraina mamiratra satria ny andro miratra
Ity ilay maraina tsy maintsy hifohazana
Mazava, maniratra ka mitady hivelomana
Miatomboka amin’ny fitadiavana isan’andro
Tsy hitahita indray dia hariva ny andro
Mirehitra mena ny fara-vody lanitra
Tsy azo antenaina fa masoandro milentika
Ka manomboka maizina ny tany aman-danitra
Tonga ny alina, ka mitondra inona?
Ny alina hono mitondra fisainana

Mifoha mbola maizina e, ny ankamaroan’ny olona }
Tsisy miandry ny maraina f’efa samy mianto-tena }
Mifoha vao maraina e, ny ankamaroan’ny olona } in2
tsisy manantena intsony ilay maraina nofinofy }
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 6070
Likes : 0 Like
Created by : Nanaingo
Date : 02/03/2006 20:37
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115