You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Mandehana mankany (Mahaleo)

https://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/mandehana-mankany

Ndeha re ry anaka,ty reninao atony,
Fa ory anaka,mangasihasy ny fony,
  
   Aza mitsara ,’zay mety ho vitany
   F’izy efa nanambara fa neniny ny ditrany,

Koa manantona fa reninao io
Aza andrasana hifona fa mba tsiditsiho,

   Koa mandehana,hadinoy ny fahiny,
   Fa raha nisy fahotana,tsy azy irery ny tsiny,

Raha tapaka ntononkira.serasera.orgy tady,
tsy izy irery no helohina,
    
    Fa olon-droa no nivady ,
    Samy manana ny anjara hadisoana,

Teny nifampierana no nisarahana teto,
Izaho tia tena mitana anao eto anilako eto,
Nefa tonga ny fotoana izay hanantonany,
Koa ndeha nareo mihaona,mianara miara-dia
Sady ianao efa ela,no nahatsapa ny fahabangany
Koa mianara mamela,MANDEHANA MANKANY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 4322
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rabobs
Tamin'ny : 07/02/2002 17:31:12
ID : 525

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo