Iantrao (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iantrao fa aza rikoriko
Sanatria tsy fanahy niniako
No nahatonga ahy ho toa izao

Iantrao fa ny hazofijaliako
Mavesatra fa nikimpiako
Raiso tanana aho raha azo atao

Mahantra aho, tsy mitafy mandry fotsy
Ory fitia sy rotsirotsy,
Ka mba manantena anao

Mahantra aho, ny fiainako mikororosy
Manitsaka ahy izay te hanosy,
Asa raha toa ireny koa ianao

Iantrao, ny hambom-poko efa nariako
Izay mba mety ho faniriako
Nailiko tsy ho hitanao

Iantrao, ny hajanao no kajiako
Ny ho namanao no mba tiako
Mba ampio raha sitrakao

Mahantra aho nefa aza indraindraina
Fa manjary ady ilaina
Ireo tsipi-teny atorakao

Mahantra aho nefa mendrika hajaina
F’efa manao vy very ny aina
Miasa fa tsy milalao

Mahantra aho, mareforefo osasosa
Fa fahoriana miavosa
No babeko an-damosiko ao

Mahantra aho, fa ny anao kosa
Tsy misy izay tsy tontosa
Ireo nofinofinao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 7447
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 19/01/2003 14:06
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2146