Embona (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Embona sy hanina, tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan’alahelo
Ny havoana tazanina,tsy hita hodinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba nihika mafy ihany aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Ts’isy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan’ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo iadiana ny anjara
’Zay ’ngamba no heveriny ho tsara
F’izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona aza hotafarina
Na halevina mety handifitra olona
Hiposaka haniry hamololona
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
Izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Tsy ny halavitana, tsy ny taona
No hahasakana ny fontsika tsy hihaona
--------
Rohy:
Hevitra
tad%27j ( 25/11/2014 18:00)
mlay e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 14168
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 16:10
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135