Embona

Lohateny Embona
Nampiditra naivoidealy
Tamin'ny 12/10/2005 12:32
Vangy : 933

DO  MImin  REmin   SOL         DO        
Embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana
LAmin       REmin       SOL         DO
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
DO    MImin REmin   SOL          DO  
Ny avôna tazanina,tsy hita ho dinganina
LAmin                    REmin        
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
SOL             SOL        DO
Ny aina marary, ny fo maratra
LAmin           LAmin       REmin    
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
SOL                               DO    
Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
SIbmol7      LAmin
Izay jereko manjavozavo
SOL                     DO
Tako-drahona sy vohitra avo
LAmin                  REmin
Fa mahery sy masiaka ny onja
SOL                      DO
Tsisy lakana mety afaka hitondra
SIbmol7             LAmin
Ny maso no alefa maminany
SOL                    DO
Mibanjina anao  any ho any.



Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako

Fa noho ny hasomparan'ny tany

Izaho aty, ianao lavitra any

Tsy azo hiadiana ny anjara

'Zay angamba no heveriny ho tsara

Izaho tsy kivy tsy ho ketraka

Na dia mangidy mavesatra

Fa ny ahy dia fitia tena marina

Na anaty honahona tsy ho tafarina

Na halevina mety handifitr'olona

Hiposaka amin'ny hamololona

Ny any hafatro dia ny hoe matokia

Fa izaho tsy hitsahatra ny  hitia

Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso

Mahasakana ny fontsika tsy hihaona
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2861